Nitotongana noho ny tamin’ny 57 taona lasa ny fiainan’ny malagasy ankehitriny, hoy ny mpanao politika, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo,
kanefa dia firenena manana harena voajanahary sy an-kibon’ny tany, toy ny volamena maro, ity firenena ity. Avo 2 heny tamin’ny vola Frantsay ny ariary tamin’izany andro, hoy izy, kanefa ankehitriny dia latsaka 7500 eny be izao amin’ny Euro ny ariary. Anarany mba manana manam-pahaizana maro sy harena voajanahary maro ihany koa isika, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray, Gaby Vakiniadiana, isika kanefa dia tsy sasatry ny mivarina sy miha mahantra ny firenena satria maro ireo tsy manam-panahy eo amin’ny fitondrana. Nidina ny harin-karena, hoy ny mpahay diplomasia, Julien Radanoara, ary niakatra ny vidim-piainana. 300.000 hatramin’ny 500.000 isa taona ireo tanora tonga eo amin’ny tsenan’ny asa saingy ho aiza daholo, hoy izy. Manampy trotraka ny tsy fahalalahan’ny demokrasia sy fandikan-dalàna isan-karazany ary efa isan’ny sazy mihatra amintsika sahady io famatsiam-bola tsipotipotiny io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.