Natolotra ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Toliara ny sabotsy teo ny fiara tsy mataho-dalana miisa 16 hoenti-mamongotra ny asan-jiolahy ka hamerenana ny fandriampahalemana manerana ireo faritra efatra mandrafitra ny Faritanin’i Toliara dia Atsimo Andrefana hahazo 6 amin’ireo fiara 4x4 ireo, samy hahazo 3 avy kosa ny zandary any amin’ny Faritra Androy, Anôsy sy Menabe, ary ho an’ny zandary ao Sakaraha ny 1, araka ny fanazavan’ny kolonely Ramananjatovo Alphonse, komandin’ny CIRGN Toliara. Miandry vokatra mazava, araka izany, ny vahoaka izay efa tena mikaikaika tokoa amin’ny afitsoky ny jiolahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.