Olona 11 naratra mafy vokatry ny filatsahan’ny taksibrosy tao anaty rano ny alatsinainy hifoha talata teo. Fiara mampitohy an’i Faratsiho sy Soavinandriana-Itasy mantsy no nilatsaka tao an-dreniranon’i Kitsamby ny andron’io
Vokany, simba tanteraka ilay fiara ka tao ny tapa-tongotra sy voa mafy teo amin’ny lohany. Nalefa teny Miarinarivo izy ireo saingy noho ny fanarahana tsy maintsy atao amin’ny fitsaboana dia nakarina taty an-drenivohitra ny alin’iny ihany. Araka ny voalaza dia tapaka hisatra tampoka ilay fiara raha iny nitsotsorika tamin’ny fidinam-be iny ka tsy tafajanona raha tsy tany anatin’ilay renirano. Efa betsaka ireo olona mpampiasa iny lalana iny no mikaikaika fa ratsy sy kitoatoa loatra ny fanamboarana ny lalam-pirenena mampitohy ny faritr’i Vakinankaratra sy Itasy iny. Sady be fiolanana matetika no tsy fantatra intsony izay lalan-kobana rehefa tonga eo an-tampom-piakarana ka raha tsy za-dalana dia mety hiafara amin’ny loza toy ny nahazo ity taksibrosy ity hatrany ireo fiara mpihazo iny toerana iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.