FARATSIHO

Tafidina 200 Ar ny iray kilao amin’ny paoma


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Tafidina hatrany amin’ny 200 Ar ny iray kilao amin’ny paoma any

amin’ny kaominina sy distrikan’i Faratsiho amin’izao fotoana izao. 400 Ar no lafo indrindra vokatry ny haratsian-dalana midina mankany amin’ireo toerana tena mpamokatra. Lo eny am-potony fotsiny ny paoma vokatr’izany, antony tena mampitaraina fatratra ireo tantsaha mpamokatra. An-taonany maro anefa no lanin’izy ireo nikoloana ilay paoma. Ankoatra ny herim-po dia mandeha tsy miato ny vola saingy fatiantoka tahaka izao no vokany. Ireo mpananom-bokatra koa etsy an-daniny hoy hatrany ny vaovao manararaotra mamaritra ny vidim-bokatra rehefa mba manana fahafahana kely ny hidina any amin’ireo toerana saro-dalana. Misy sahy mampidina 100 Ar mihitsy ny iray kilao amin’ny paoma nefa havoakany 4.000 Ar tonga eto an-drenivohitra. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny lalana miazo an’i Faratsiho ireo mponina any an-toerana vokatr’izany indrindra fa ireo miazo ny kaominina ambanivohitra izay tena mpamokatra.
Pati
Legende : Mitobaka tahaka izao ny paoma ao Faratsiho ao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT