Faratsiho

Efa mihodina ny milina fanamboarana « chips »


  • Alarobia 15 Mey 2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

izany no nambaran’ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI ) Njiva Rakotoarivonona omaly Talata 14 May tany Faratsiho. Vita omaly tamim-pomba ofisialy tokoa mantsy ny fanombohan’ny famokarana chips avy amin’ny ovy ao amin’ny Taninketsa Indostrialy any an-toerana. Distrika 5 amin’ny 7 any amin’ny faritra Vakinankaratra no efa nametrahana milina fanodinam-bokatra ODOF (One District One Factory). Feno 3 izany izao ny orinasa efa mihodina raha mbola ao anatin’ny dingana tsy maintsy arahina mialoha ny fampandehanana ny milina ny hafa. “Raha tonga teto ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, Edgard Razafindravahy, tamin’ny herintaona, dia nanome toky anareo fa ho apetraka ary tsy maintsy hihodina ny ODOF eto Faratsiho”, hoy ihany ny DGI raha nampahatsiahy ny dingana nolalovana ka nisafidianana ny Kaoperativa 3MVT hitantana ny Taninketsa Indostrialy ao Faratasiho. Miroborobo ny kaoperativan’ny mpamboly ovy any Faratsiho. Raha manodidina ny 20 ny kaoperativa ao Faratsiho dia misehatra manokana amin’ny fambolena ovy ny antsasak’izay. “Ianareo ireo no hiara-hiasa hifanome tanana amin’ny famatsiana ovy an’ity ozinina ity mba ho samy hisitraka ny tombon-tsoa amin’ny fisian’ny Tetik’asa ODOF avokoa ny tantsaha mpamokoatra, ny kaoperativa sy ny distrika iray manontolo, hoy ny DGI. Antenaina koa fa tsy ho ela dia hiparitaka manerana ny tsena eto an-toerana sy ny manodidina ny vokatra FARAT CHIPS”.
Pati
Legende : Tahaka izao ny FARAT CHIPS !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT