Actualités

FARADOFAY Boaderozy an-jatony nodorana natao saribao


  • Talata 01 Aogositra 2023

Arovana fatratra ny hazo sarobidy eto amintsika mba tsy ho lany tamingana.

Tsy azo hatao ary voararan’ny lalana ny mikapa sy manondrana azy ireny saingy ny nahavariana dia mbola nisy andramena na boaderozy an-jatony efa voakapa ary nodoran’ny sasany nanaovana harina fandrehina indray tany Faradofay. Raha araka ny fantatra dia lehilahy miisa telo no tompon’antoka tamin’izany ka mbola tazonina ao amin’ny zandary hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tany vao avy novidian’olona no nahitana ireo andramena nodorana ireo hoy ny vaovao. Na ilay tompony ankehitriny aza noho izany dia tsy mahalala ny fiavian’izy ireo izay tombanana ho nokapaina dia saika haondrana eto an-drenivohitra mba hanaovana fanaka na fanafody….Tsy tanteraka anefa izany noho ny antony tsy fantatra hany ka nodoran’ireo olona telolahy ireo ireo andramena an-jatony. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny fivangongoan’ireo andramena nodorana tany Faradofay !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT