Fara Ratsaratoetra

«Asa mendrika toy ny fampianarana ihany io fanaovan-gazety io»


  • Zoma 03 Mey 2024

Mampita vaovao marina sy manabe ny fiarahamonina no isan’ny andraikitry ny mpanao gazety

hoy ny mpanao gazety teo aloha sady mpahaitantara, Fara Ratsaratoetra, raha naneho ny heviny ho fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety na ny datin’ny 3 may 2024. Asa mendrika toy ny fampianarana ihany, hoy izy, io fanaovan-gazety io. Manome vaovao marina ho an’ny mpiara-belona sy ny fiarahamonina izy. Azo lazaina koa hoe fanoitra entina mampandroso firenena. Misokajy 4 ankehitriny ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara dia ny an-tsoratra, ny amin’ny onjapeo, fahitalavitra fa tsy azo adinoina ihany koa amin’izao andron’ny tekinolojia izao ny gazety ampitain-davitra. Tsy tokony hianona fotsiny amin’ny fahalalana azo tany amin’ny fampianarana sy sekoly ny mpanao gazety. Mila manita-pahalalana isan’andro. Eo ny vaky boky, ny fizarana fahalalana eo amin’ny samy mpanao gazety, indrindra, ilaina koa ny fanovozana fahalalana amin’ireo zokibe mpanao gazety teo aloha. Tsy azo adinoina koa ny manaraka fampiofanana. Ankehitriny ny asa fanaovan-gazety lasa manaparitaka vaovao diso sy mamadika ny vaovao tena misy marina. Misy koa ny ady eo amin’ny fitaovan-tserasera na «guerre de communication» izay hanaporofoana fa itsy na izary no marina mba hanadiovan-tena. Ny tena ratsy dia ratsy dia ny fanarahana am-bokony ny laharam-pahamehan’ny tompon’ny gazety! Mba hampiakarana lenta ny fanaovan-gazety ho matihanina sy ho fiarovana ny zo aman-kasiny dia manana adidy hilaza ny tena vaovao marina ny mpanao gazety. Misarika ny mpanao gazety aho an-kilany mba hanaja ny etika sy deontolojia ary lalàna mifehy ny fanaovan-gazety satria ny mpanao gazety dia hery lehibe ary mitana andraikitra ambony amin’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Misarika ny mpitondra ihany koa hamela malalaka ireo mpanao gazety hanatanteraka ny asany an-tsakany sy an-davany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT