Actualités

Fantsona vaky teny Ambatoroka Tondra-drano andro ririnina ny arabe


  • Alatsinainy 17 Jolay 2023

Nisy fantson-drano vaky indray teny Ambatoroka ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Nahatonga fahaverezan-drano

betsaka tamin'ny arabe hatreny Ambohipo sy ny manodidina izany. Tsy maintsy naato aloha vokatr’izay ny famatsian-drano tamina toerana maromaro hahafahana mitady ilay fahavakisana sy miroso amin’ny fanarenana. Voakasik'izany Ambatoroka, Ambanidia, Ankazotokana, La haute, Andohalo, Ambohimitsimbina, Mandrosoa, Ambohijatovo, Faravohitra , Faravohitra ambony, Ambohidahy, Ambatonakanga, Ambohitsorohitra, Ambatovinaky, Antaninarenina,Amboasarikely, Isoraka, Ampasamadinika, Tsaralalana, Analakely, Isotry Fiata, Ampasamadinika, Ankaditapaka , Amparibe, Tsimialonjafy, Ambondrona, Tsiazotafo, Ambodifilao, Behoririka, Soarano,Andravoahangy tsena, Ambatomitsangana, Ampandrana, Ankadivato, Antaninandro, Mahavoky, Anjanahary, Ambatomainty, Manjakaray, Amboditsiry, Tsiadana, Ampasanimalo, Andohamandry, Cité des profs, Campus, Ambolokandrina, Ankatso , Cité Ambohipo, Antsobolo, Andraisoro, Fort Duchesne, Ambatokaranana, Ampanotokana, Ambohidahy, Ampasampito, Betongolo, Ambohitrakely, Soavinandriana, Besarety, Avaradoha, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Naverina hatrany moa fa efa tena tranainy ny fitaovan’ny JIRAMA. Hita ho isan’ny antony nahatonga olana matetika teo amin’ny fahatapahan’ny herinaratra hatramin’izao izany ary dia io miha mihombo koa ankehitriny ny olana eo amin’ny famatsiana rano. Saika naharaisana fitarainana fahatapahan-drano indray nanomboka ny marainan’iny sabotsy iny ny ankamaroan’ireo faritra voatonona teo. Inona moa izany no tena sakana tsy hamahana ny olana?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT