Fantiantoka 250 tapitrisa dolara isan-taona

« Mety hitohy amin’ny taona ho avy sy aoriany ny delestazy… »


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Miharatsy hatrany fa tsy mety tafavoaka ny tontolon’ny angovo sy herinatra eto na mirarakopana

hatramin’izao aza ny fampanantenana zavon-tany. Tsy mbola misy tsirim-panantenana mipoitra, fa vao mainka aza miitatra ny olana. Niantsoana an’i Ron Weiss Tale Jeneraly Israelianina lazaina fa nanavotra ny orinasam-panjakana momba ny angovo tany Rwanda kanefa aiza izay vokatra ? Namoaka tarehimarika ny Banky Iraisam-pirenena, naneho fa miditra anaty krizy ara-bola lalina ny JIRAMA satria miaina fatiantoka mitentina 250 tapitrisa dolara isan-taona sy trosa tafakatra hatrany amin’ny 400 tapitrisa dolara. Io dia manasarotra ny fandoavana ny faktioran’ireo mpamatsy tsy miankina sy manakana ireo mety ho fampiasam-bola vaovao. Raha tsy misy fepetra haingana raisina, dia mbola hitohy sy hiharatsy hatrany ireo fahatapahan-jiro lava mianjady amin’ny mponina amin’ny taona ho avy sy aoriana, hoy io rafitry ny Breton Woods. Fianteheran’ny JIRAMA amin’ny solika amin’ny famokarana herinaratra, fihenan’ny famokarana herinaratra avy amin’ny rano noho ny tsy fahampian-drano, fahasimban’ny fotodrafitrasa amin’ny famokarana, fitaterana ary fizarana herinaratra, izay miteraka fatiantoka goavana, ary koa fatiantoka ara-bola sy ara-pitantanana eo anivon’ny JIRAMA no ambaran’ny Banky Iraisam-pirenena fa mikiky ity orinasam-panjakana misahana ny angovo sy herinaratra ity. Miantso fanapahan-kevitra haingana ny Banky Iraisam-pirenena ka manome soso-kevitra amin’ny Madagasikara mba: hanavao sy hanamboatra ireo toby famokarana herinaratra efa misy eo anivon’ny JIRAMA, hanetsika haingana ny sehatra tsy miankina amin’ny fananganana sy fampandrosoana ireo toerana famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Mbola lavitry ny kitay ny afo mazava ho azy satria na ny drafitra ilàna 7,2 miliara dolara anatin’ny 6 taona resahan’ny Fanjakana aza mbola manidintsidina satria zara raha 1,15 miliara dolara no mety harotsaky ny mpiara-miombon’antoka. Mbola ny serasera mipoapoaka sy ny filalaovana saim-bahoaka aloha no hitosaka raha ny resaka famahana ny olan’ny delestazy…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT