FANOVANA sy FANAVAOZANA

Tsy izay mahafalifaly no atao fa


  • Zoma 31 Oktobra 2025

izay mampivoatra ny fiainan’ny Malagasy

Taorian’ny fiovam-pitantanana teto amin’ny firenena dia asa lehibe miandry ny governemata ankehitriny ny fametrahana ny fototra iaingan’ny fanovana. Mila miova ny fomba fiasa tsy ahitam-bokatra, mila miova ny kolikoly lasa fomba fanao isan-tsehatra, mila miovany toe-tsaina miandry omena, mila miova ny olom-boatendry sy olom-boafidy manampatra fahefana, mila miova ny tsindry hazo lena mahazo ny madinika eny amin’ny fitsarana, mila miova ny fampianarana mamokatra olona be diplaoma fotsiny kanefa tsy an’asa sy tsy mahafeny ny zava-misy eto amin’ny fireneny akory avy eo, mila miova ny fanararaotana amin’ny vidin’entana, mila miova ny fanaovana ampihimamban’olom-bitsy eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Mila fantatra tsara anefa fa tsy ho vita izany hoe hanome fahafaham-po miaraka ao anatin’ny fotoana fohy ny rehetra izany. Na samy niara-nitolona izao aza mety samy manana ny maha maika sy dodona azy avy eo. Olona mpiray tampoha aza, tsy mitovy hevitra amin’ny zava-drehetra, mpivady aza mety mifanolana amin’ny resaka tetibola ampiasaina ao an-tokantrano. Izay no maha zava-dehibe ny hametrahana mazava ireo tena laharampahamehana aloha, satria tsy ho vita ao anatn’ny 2 taonan’ny tetezamita ny fanovana an’i Madagasikara iray manontolo sy ny fomba fanao hafahafa nanazarana ny mponina teo. Io no asa lehibe miandry ny minisim-panjakana miandraikitra ny fanovana, izay mpahay lalana sady mpanao politika, olom-boafidy teo aloha no mitantana azy amin’izao fotoana. Tokony mahafantatra tsara ny zava-misy , ny maika, ny azo sy ny tsy azo atao aloha, ny zavatra mety hoe afaka miandry, ny zavatra hita hoe mbola tsy ho vita mihitsy ato anatin’ny fohy ezaka. Mila miomana ara-tsaina ihany koa ny olom-pirenena fa tena mila fandraisan’andraikitra be izany fanovana izany fa tsy hoe efa ion y fanjakana vaovao dia aleo ataon-dry zareo ao. Tena mila fiaraha-mientan’ny malagasy ny fanovana sy fanatsarana ny fiainany sy ny fireneny ary mila tsaroana mandrakariva hoe : tsy voatery hanao ratsy vao tafita fa ny tsara dia ampy ahombiazana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT