Nivahiny tao fandaharana manokan’ny Real TV ny « Système Anti-Corruption » na ny « SAC » omaly,
nahitana an-Rtoa Sahondra Rabenarivo Filohan’ny CSI, Rtoa Harimahefa Ratiaraisoa Mpandrindra Nasionalin’ny PAC, ny Tale Jeneralin’ny BIANCO Atoa Laza Eric Donat Andrianirina ary Atoa Lamina Boto Tsaradia, ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN. « Fanitsiana ny lalana mikasika ny fitsarana miady amin’ny kolikoly » izay naroson’ny Depiote Idealson voafidy tany Ampanihy no lohahevitra. Adihevitra ny fanesorana ny andinin-dalàna momba ny heloka ara-toekarena sy ara-bola, ny fanagiazana mialohan’ny fanamelohana ny harena ahiana ho azo tamin’ny kolikoly sy fandikan-dalàna, ny fampihenana ho 3 taona ny fe-potoanana hiasan’ny mpiraki-draharaha nasionaly sy ny mpitsara eo anivon’ny PAC raha 4 taona ny ao anaty lalàna. Mila finiavana be mihitsy satria ny fivorian’ny parlemantera 2018, dia nanda ny tsy handaniana ny resaka fanagiazana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna ny depiote, hoy ny Mpandrindra ny PAC. Miisa 21 ny resaka heloka ara-toekarena sy ara-bola, izay misy kolikoly avokoa ireo ka manahirana ny fanaisorana azy. Ohatry ny voakitika ihany ny BIANCO ao anatin’ilay izy. Ny fanalana ireo dia lasa manamaivana ilay ady satria fandikan-dalàna dia misy fitohizany be, hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco.
NANASONIA NY FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA
Isan’ireo firenena 140 nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly ny taona 2004 I Madagasikara, ary ao anatin’izany ny lalàna mety hisian’ny fanagiazana fananana mialohan’ny fanamelohana, hoy kosa Rtoa Sahondra Rabenarivo Filohan’ny CSI. Ny PAC irery ihany no afaka manao fangejana eto Madagasikara. Tsy manitsaka ny “présomption d’innocence” na zo noho ny mbola tsy maha voaheloka io. Efa finiavana avy amin’I Madagasikara io, efa resy lahatra ny mpamatsy vola, handalo tombana I Madagasikara, kanefa toa potehina tsikelikely. Loza ho an’ny ady amin’ny kolikoly io, raha lany amin’izao endriny izao, hoy I Sahondra Rabenarivo. Miantso ny fifampihainoana sy fandraisana ny soso-kevitra azo hanatsarana izany ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny SAC.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.