Fanovana ara-nomerika

ny oniversite Hiara-hiasa amin’ny SPARKSO ny MESUPRES


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanovana ho nomerika ireo oniversite rehetra manerana an’i Madagasikara.

Tontosa soa aman-tsara afak’omaly Alatsinainy 16 oktobra ny fifanaovan-tsonia mirakitra fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny SPARKSO, orinasa izay manana traikefa manokana misehatra amin’izany tontolo nomerika izany. Fifanarahana maneran-tany eo amin’ny roa tonta no natao tamin’izany, maharitra telo taona, izay mikendry ny hanova tsikelikely ny fampianarana amin’ny teknolojia nomerika. Tonga nanatontosa io fifanaovan-tsonia io ny Minisitra ny fampianarana ambaratonga ambony ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice an-daniny sy Atoa Ghilas Benkhenou, Tale Jeneralin'ny orinasa SPARKSO an-kilany. Tsiahivina moa fa efa an-taonany maro no nirarian’ireo mpianatra eny anivon’ny oniversite ny tokony hanaovan’ny fanjakana tahaka izao saingy izao ireto farany vao tonga saina. Efa azo lazaina ho tara ihany anefa izany satria anisan’ny tetikasa efa tafiditra ao anatin’ny asa hotontosain’ireo kandida sasany hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ka anisan’ireny ny kandida laharana voalohany Tahiana Razafinjoelina, izay sady mpampianatra rahateo.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT