Actualités

Fanotofana tany ataon’ny Karana Ahiana ho dibo-drano i Mahajanga


  • Zoma 03 Novambra 2017

Velaran-tany an’hekitarany maro misy ala honko ao Manapatanana Mahajanga no efa voafefy satria voalaza fa lasan’ny karana, ary efa miroso amin’ny fanotofana ireo mitonona ho tompony. Mampiasa fitaovana raitra mihitsy ireo karana mpanam-bola.

Voasokajy ho faritra harovana noho ny fisian’ny ala honko na “mangroves”, ary indrindra tsy azo hanaovana asa fanorenana io toerana io. Tsy manana fahazoan-dàlana hanao izany ihany koa ireo karana satria ny Ben’ny tanàna no hany manana fahefana hanome fahazoan-dàlana hanototra tany. Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Kaominina manoloana ity toe-javatra ity saingy fandrahonana sy “Gros Bras” maro no nitsena azy ireo. Voatery nampakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny kaominina saingy tsy mbola nisy didy mivoaka, ary nitohy ihany ny fanorenana sy ny fanotofana na tokony samy miandry izay haloaky ny fitsarana aza. Voatery nampiato vonjy maika ny asa ny Kaominina nanomboka omaly maraina mandra-pahitana ny tena marina satria milaza ho manana taratasy ahafahany manao ny fanotofana sy nanao ny fananganana tamboho avy any amin'ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany (M2PATE) ireo milaza ho tompony.  Zava-doza ho an’ny tanànan’I Mahajanga ity fanotorana tany ity satria tsy hisy lalany intsony ny ranomasina rehefa miakatra, ka hivadika hanototra sy handifotra tanàna. Tsy andrenesam-peo kosa ny avy amin’ny prefektiora sy ny faritra manoloana na efa nisy aza ny komisiona natsangan'ny lehiben'ny faritra Boeny mahakasika ny fiarovana ny ala honko eny Manapatanana. Manilika ny fahadisoana any amin' ny kaominina sy ireo ben' ny tanana nifandimby ny M2PATE manoloana ity fanotofana tsy ara-dalàna ity. Toa tratry ny kely tsy mba mamindro sy voadingana ny ambaratongam-pahefana rehetra ao Mahajanga nanomboka any amin' ny kaominina sy ny faritra ka hatrany amin' ny prefektiora, fa tonga dia ny ministera no manapaka, raha toa ka ny M2PATE tokoa no ao ambadik’izao raharaha izao fa mody manao sinema. Hisy ny fivoriana hifandinihan’ ny ministera sy ny kaominina anio zoma hanaovana ampamoaka mahakasika ity raharaha ity. Na hiafara amin' ny fanesorana ireo rehetra efa nanao fanorenana tsy ara-dalàna hatramin’izay ny raharaha, na hitohy ny gaboraraka ary ho simba tanteraka ny tontolo iainana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT