FANOTOFANA TANY AO ALASORA

Misokatra fa tsy maintsy


  • Alakamisy 28 Mey 2026

mandalo anivon'ny kaominîna

Efa misokatra Ilay tetikasa fanotofana tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy hataotao foana anefa izany na izany aza fa tsy maintsy mandalo rafitra an-tanan-tohatra marobe hisorohana ny mety hisian'ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra, indrindra fa ho an'ny Faritra iva. Ho an'ny kaominîna Alasora manokana dia nomarihin'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy fa tsy maintsy mandalo eo anivon'ny kaominîna ny fangatahana. Tanana tena malaza amin'ny fanotofana tany mantsy ity kaominîna iray ity noho izy manamorona ny lala-mikodana By Pass. Dinihin'ireo tompon'andraikitra voatokana izany hoy izy ary hanaovana fidinana ifotony mihitsy vao azo ekena na tsia. Notsiahivin'ity Ben'ny tanana ity mantsy fa tena saro-pady ny resaka fanotofana tany. Mandrora mitsilany hoy izy raha vantany vao manaotao foana ka ny vahoaka ao amin'ilay toerana hanaovana izany ihany no lasibatra. Efa miasa avokoa moa ireo tompon'andraikitra misahana izany isaky ny kaominîna mba hampanara-dalana ity tetikasa fanotofana tany ity.
Pati

Légende : Randriantsoa Jimmy Ben'ny tananan'ny kaominîna Alasora nitondra fanazavana fohy!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT