Fanosoram-potaka amin’ny Facebook

Mialokaloka ao anaty fitondrana ireo atidoha…


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Mihazakazaka ny endrika fanalam-baraka sy fanosoram-potaka atao an’ireo olona tsy dia mitovy fomba fijery politika amin’ny fitondrana.

Lasibatra avokoa na olon-tsotra, na mpisintona lakolosy, na mpanao politika, na kandida ho Filoham-pirenena,… Maromaro ireo pejy manao izany, fa isan’ny tena mampikolay ny rehetra ny Serasera Mada. Omaly izao, ny kandida Tahina Razafinjoelina indray no nanaovana fanosoram-potaka mamoa-doza hoentina mampiady azy amin’ny Kandida Marc Ravalomanana, ka niresahana finoana, “framassonnerie”, fanapoan-tsampy,… “Miala tsiny aho Tompoko fa dia tsy maintsy hametraka fitoriana noho ny lainga misy. Izaho dia tsy miditra finoana sy fiainana manokana fa vina no resahana”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Tsy vao sambany no nisy fanalam-baraka sy famadihan-dresaka nataon’io Pejy mpanohana fitondrana io, ka anisan’izany I Marc Ravalomanana, ireo kandida miisa 11, Foutsie Tsotsy, Dally Randriantefy, Tahina Razafinjoelina,… Efa maro ny fitoriana, ka anisan’ny nanao izany I Foutsie Tsotsy efa volana maro izay fa tsy nisy valiny, ary nisesy ny fandotoana olona samihafa, ary ireo tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana no tena lasibatra. Mialokaloka ao anaty fitondrana tokoa ve ka azo atao daholo izao fametavetana sy fanalam-baraka ny tsy mitovy firehana? Tena hoentina amin’ny kolontsain’ny tsimatimanota ka zavatra mirefarefa amin’ny tany tena mariky ny fahambanian-tsaina no hitezana ny olona? Efa betsaka izay fitoriana nandeha tany amin’ny Sampana misahana ny heloka an’habaka na “Cybercriminalité” izay fa toa tsy dia nahitana valiny firy aloha ka asa amin’ity indray mitoraka ity satria tsy olona iray no hitory fa maro? Niaraha-nahita ny fanenjehana sy fanagadrana olona izay naneho hevitra noho ny tsy fitovian-kevitra amin’ny fitondrana: any am-ponja nohelohina 44 volana I Berija Ravelomanantsoa, nohelohina 5 taona any am-ponja I Beharinirina Marcelin rehefa notondroina ho niantso hetsi-bahoaka tsy nahazoana alalana sy nandrahona hamely ny zanaky ny filoham-pirenena tamin’ny fanainga lavitra, nosamborina sy nalefa any am-ponja I Stan’ley Ramarivelo efa volana maro izay ary tsy misy fitsarana eny fa hatramin’ny reniny aza lasibatra nesorina tamin’ny asany,… Samy miandry ny rehetra fa efa mandeha ny dingana samihafa ataon’ireo lasibatra. “Ilay administratery an'ny "Serasera Mada" aloha dia tsy maintsy miakatra tribonaly cybercriminalité na dia matanjaka mpiaro aza. Efa maro izahay ankehitriny no mitory an'ireo mpamafy lainga ao ireo”, hoy I Dally Randriantefy isan’ireo lasibatra. Efa fantampatatra rahateo ireo olona voalaza fa ao ambadik’ireo resaka fanosoram-potaka ireo tsy mitovy firehana politika amin’ny fitondrana ka andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT