Fanorenana tsy ara-dalàna eny Ankatso

Manenjana ny ben’ny tanàna, midrikina ireo mpivarotra


  • Alarobia 05 Novambra 2025

Nidina teny Ankatso androany ny ekipan’ny

Kaominina Antananarivo Renivohitra, notarihin’ny Ben’ny Tanàna Harilala Ramanantsoa, nijery sy nanara-maso ireo fanorenana voalaza fa tsy ara-dalàna hita eny an-toerana. Efa tamin’ny volana martsa no najanona ireo asa fanorenana, saingy nitohy indray nandritra ny fihetsiketsehana farany teo, raha ny filazan-dRtoa Harilala Ramanantsoa. Namafisiny fa efa natsahatra tanteraka ireo asa rehetra, ary harodana ireo fotodrafitrasa izay manitsakitsaka ny lalàna sy mety hampidi-doza ho an’ny mponina, indrindra noho ny fisian’ny lakandrano ao ambaniny. Andaniny, nitokona ireo mponina sy mpivarotra voakasika, ka raikitra ny sakan-dalana tamin’ny alalan’ny fandrehetana afo. Samy manana ny heveriny fa ara-drariny sy ara-dalàna. Amin’ny lafiny iray, anatin’ny fotoanan’ny krizy isika, sarotra ny mitady asa sy mamorona fihariana, ka samy manao izay heveriny fa mety. Mila politikam-panjakana mahomby, mitodika amin’ny tena filam-bahoaka. Na izany na tsy izany, resahana sy malaza ankehitriny ny hoe : « fanovana », ary ny fomba fanao tsy mety hatramin’izay mila ahitsy. Rehefa tsy ara-dalàna dia tsy ara-dalàna, ny gaboraraka no isan’ny miteraka fahapotehana maro eto,… ka tsy izay manenjan-tsandry sy midrikina dia tsy maintsy leferina na efa hita izao aza fa tsy mety. Henjana ary fahita eto amintsika tsy vao izao fa hatramin’izay ny antsoina hoe : « résistance au changement » na fijoroana hanohitra ny fanovana. Isan’ny manao antso avo amin’ny handrodanana ireo fitodrafitrasa tsy ara-dalàna anatin’ny faritry ny oniversite na toeram-ponenan’ny mpianatra ohatra ny Fikambanan’ny mpianatra. Inona moa no maharatsy an’izany ? Inona no tsy hanasaziana ireo manao ny tsy mety ? Ireny anefa ny tranga tany Antsiranana rehefa nandeha ny resaka fanadiovana teny amin’ny Cité, niafara tamin’ny faty olona sy herisetra, doro trano,… Inona moa ny fahadisoan’ny Fanjakana raha tena hisy ny fanadiovana ka hanesorana ireo tsy tena mpianatra intsony ? Ny zavatra mitranga anefa dia fanambanana hirotaka sy higrevy no re matetika raha nisy ny finiavana avy amin’ireo Minisitry ny fampianarana ambony teo aloha hanadio, hany ka tsy nety tanteraka. Izany no mpidranga eto. Isan’ny zavatra mila hovana izany, mila fanovana ara-toetsaina izay mety tsy vita vetivety, mila manaja lalàna sy fitsipika,… Tena mila miova isika raha te hanova !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT