Actualités

Fanorenana tranon’ny mpianatra - Ankatso 2 Tsy tontosa indray ny fametrahana ny vato fototra


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Voapetrapetraka fanindroany indray omaly ireo mpianatra monina eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II izay nanantena ny fametrahana ny vato fototra hanorenana trano iray misy rihana telo eny an-toerana.

Lanonana izay tokony ho notontosaina omaly rehefa tsy raikitra tamin’ny alatsinainy teo. Tsy tonga indray mantsy ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT), Andry Rajoelina. Niteraka savorovoro teny anivon’ny mpianatra ny trangan-javatra. Noraisin’ny mpianatra ho fanaovana tsinontsinona azy ireo izao, nisy ny fampianarana voatery notapahana hahafahan’ny mpianatra manotrona ny lanonana saingy mahatsiaro no fotoana very maina avokoa izany.

 
Nisolo vaika ny akalana, nitondra fanazavana momba ny anton’ity fanemoram-potoana fanindroany ity ny minisitry ny fampianarana ambony Tongavelo Athanase izay nanambara fa ny tenany mihitsy no niangavy ny filohan’ny FAT hanemotra indray io lanonana io taorian’ny fihaonany tamin’ireo mpampianatra mpikaroka, mpandraharaha ary ny solontenan’ny mpianatra ny talata hariva teo. «Samy manana ny zavatra angatahany avokoa ireo sokajy ireo kanefa mba hialana amin’ny fampanantenana poakaty dia aleo zavatra efa vonona no hatolotry ny filoha azy ireo», hoy ny minisitra. Nambaran’i Tongavelo  Athanase fa eo am-pandinihana ireo fangatahana ireo ny minisitera ankehitriny sy miandry ihany koa ny fahatongavan’ireo fitaovana isan-karazany hanatsarana ny fampianarana ka rehefa vonona ireo rehetra ireo, hoy izy dia hotontosaina amin’izany ny lanonana. Afaka folo andro any moa izany raha ny fanazavany ihany.
 
Vatsim-pianarana sy tambin-karama
Nasian’ny minisitra resaka ihany koa ny momba ny vatsim-pianarana izay mety hisy fisondrotany amin’ity taom-pianarana ity. “Eo am-pandinihana momba ny fampiakarana azy io izahay saingy tsy mbola afaka manome izay mety ho tahan’ny fisondrotany anefa”. Momba ny fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES kosa dia nilaza ny minisitra fa ny tombontsoan’ny besinimaro aloha no vaindohan-draharaha amin’izao fotoana. “Ny fanomezana ny karama ho an’ny mpiasa rehetra no laharam-pahamehana ka izay no antony nandoavana ny tambin-karama amin’ny asa fikarohana mitentina telo hetsy ariary ho an’ny SECES.
 
Izay aloha no zakan’ny fanjakana fa miandry amin’ny fotoana manaraka kosa ireo tambin-karama hafa”. Marihina moa fa niteraka fimenomenomana tamin’ireo mpampianatra eny anivon’ny ambaratonga ambony ny tsy fanomezana azy ireo ny tombontsoany araka izay voafaritra ao amin’ny sata manokana nosoniavin’ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo ny volana novambra 2009.    

 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT