Lehilahy iray 49 taona no tratra nanondrana zana-tsokatra an-tsokosoko tany amin’ny Toliara ny 29 septambra lasa teo. Polisy avy any Ihosy no nahatratra azy io.
Tokony ho tamin’ny 07 ora sy fahefany hariva no nahatrarana ity mpanondrana sokatra ity, fotoana izay nifanandrify tamin'ny fankalazana ny faha- 59 taonan'ny Polisim-pirenena Malagasy tany an-toerana. Saika alefany aty Antananarivo ireo zana-tsokatra ireo izay miisa 42. Efa nofonosany sy nasina "Scotche" mba tsy ho hitan'ny olona izany ary natao tao anaty sakaosy. Notanana sy nanaovama fanadihadiana avy hatrany moa ity lehilahy ity ary ireo zana-tsokatra kosa dia naverina any amin'ny tompon'andraikitra any an-toerana hapetraka amin'ny toerana hahafahany mivelona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.