Lehilahy iray kaomandina sambokely nikasa hihazo ny Nosy Mayotte no voasambotry ny polisim-pirenena ao an-toerana ny talata 30 jona teo ary natolotra ny polisim-pirenena Malagasy 04 jolay lasa teo.
Fanondranana olona an-tsokosoko sy fampidiran-doza ny ain’ny hafa moa no vesatra niampangana azy. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy dia tambazotra iray efa mpanondrana olona mankany amin’ny nosy Mayotte ity sarona ity. Fantatra fa mpivady monina ao Ambanja ny tompon’ilay sambokely. Ireto farany no manangona sy mampiantrano ireo olona izay hiondrana ho any Mayotte. Ny alarobia 24 jona 2020 dia tera-tany Malagasy miisa 32 no voasarik’izy izy ireo ary efa nangalany vola mitentina 3.000.000 Ar avy. Tamin’ny 03 ora maraina no niainga ny sambokely ka tonga soamantsara teo amin’ny Nosy Antanibe Andrefana izany tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro. Noterena nijanona nandritra ny 04 andro teo, sady nafenina tany anaty ala moa ireo mpandeha ireo ka ny alahady 28 jona vao nanainga indray hihazo ny Nosy Mayotte izy ireo. Lehilahy miisa roa, mpiara-miasa amin’izy mivady tompon’ny sambo no sady kaomandin’ny sambokely tamin’izany. Tokony ho tamin’ny 07 ora hariva no niondrana an-tsambo ireo mpandeha ka dia roso ny dia. Nisedra olana ara-teknika anefa ny moteran’ilay sambo nandritra ny fiampitana ka tsy afa-nandroso intsony. Ny talata 30 jona teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina vao hitan’ny polisy mpiambina ny sisin-dranomasina ao Mayotte izy ireo. Efa lasa nandositra tamin’ny alalan’ny lomano moa ny iray tamin’ireo kaomandin’ny sambo tamin’io fotoana nahitan’ny polisy azy ireo io. Nentina namonjy sisin-tany avokoa ireo olona ireo ary nosamborina ilay lehilahy tompon’andraikitra. Nandritra ny fisavana dia tsy nahitana na karapanondro na pasipaoro teny amin’ireo mpandeha. Tsy nahitana fitaovam-piarovana amin’ny loza toy ny “gilet de sauvetage ihany koa tao amin’ilay sambo. Naverina teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiaramanidina avokoa ireo olona miisa 33 ireo ny sabotsy 04 jolay teo. Efa miatrika famotorana eo anivon’ny Sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny fanondanana olona an-tsokosoko (SCES) ilay kaomandan’ny sambo ankehitriny. Mbola karohina kosa ireo mpiray tsikombakomba taminy tamin’ity fanondranana olona an-tsokosoko ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.