Nivoaka omaly Alatsinainy 11 Desambra ny lisitr’ireo orinasa mpanondrana lavanila
nahazo fankatoavana ho an’ny fotoam-panondranana taona 2023-2024. Miisa 57 izy ireo no nahafeno ny fepetra notakiana taminy, raha araka ny vaovao azo. Anisan’ny mason-tsivana ny maha ara-dalàna azy ireo ny fandoavan-ketra eto an-toerana sy ny famerenana vola vahiny. Mbola betsaka moa ireo orinasa maniry ny hampiasa vola amin’ity sehatra iray ity saingy ireo isa voalaza etsy ambony ireo aloha no nahazo fankatoavana, raha araka ny vaovao azo eto am-pelatanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.