Nilaza ireo fiarahamonim-pirenena miaro ny tontolo iainana fa minia manampin-tsofina sy mody fanina tanteraka ny fanjakana manoloana ny firongatry ny fanondranana hazo sarobidy sy ny harem-pirenena amin’izao fotoana
Nilaza izy ireo fa sarin’ady fotsiny no betsaka ataon’ny mpitondra. Ohatra nolazain’Atoa Rakotondrazafy ny fisiana fanondranana hazo sarobidy farany teo tany Manakara izay nanamarihany fa isaky ny lasa miondrana foana ireo sambo vao mody milaza ny fanjakana fa nisy ny hazo sarobidy naondrana. Maninona raha vao fantatra fa misy ny tranga tonga dia sakanana fa tsy atao dokotera aorian’ny fahafatesana foana ny zava misy, hoy hatrany ity mpikambana ao amin’ny firaisamonim-pirenena miaro ny tontolo iainana ity. Mahagaga fa ireo atidoha dia tsy mba mety voantonontonona fa ireo anarana tsy fantatra foana no mody aseho vahoaka sy alefa amin’ny haino aman-jery. Manoloana izany dia mikasa hanao hetsika fanairana izy ireo ato ho ato amin’ny tsy fandraisan’andraikitra sy ny tsikombakomban’ny fanjakana amin’ity resaka harem-pirenena ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.