Nisedra olana ny sehatry ny fanondranana drakaka velona mankany ivelany tao anatin’ny taona maro
Niezaka ny minisiteran’ny jono sy ny harena anaty rano hitady vahaolana amin’io sehatra io. Nanao atrikasa ho famerenana indray ny fitrandrahana sy fanondranana drakaka velona any ivelany i Madagasikara. Azo tanterahina tsara eto amintsika ny fandefasana azy ireny velona ary mitaky kalitao tsara izany eo anivon’ny firenena mpanafatra. Ny teo aloha dia ny maty no nalefa ka tsy mahasarika loatra ireo vahiny, indrindra ny sinoa izay mpanjifa maro azy ireo. Niaraka nitady vahaolana amin’ny fanatsarana ny fihariana azy io aty amin’ny faritra andrefana ny minisiteran’ny jono sy ireo orinasa mpitrandraka sy mpanondrana mba ahafahana mahafeno ny fepetra ilain’ireo firenena mpanafatra. Haharitra roa andro io fikaonandoha io. Hodinihana ao koa ireo toerana fanatodizan’ireo drakaka toy ny ao anatin’ny ala honko izay tokony harovana. Tsy ny fanaraha-maso ny toerana misy an’ireo drakaka ireo ihany anefa no atao fa ny fiompiana azy. Efa somary vitsy ihany ny drakaka amin’ireo firenena mpanafatra toy ny any China, la Réunion ka efa miezaka izy ireo amin’ny fiompiana azy ireo. Araka izany dia tsy maintsy handray ny andraikiny ny minisiteran’ny jono ho an’ireo mpitrandraka tsy manara-dalàna. Ny minisitry ny jono sy ny harena anaty rano Ahmad no tonga nanokatra tamin’ity fikaonandoha ity tao amin’ny Hotel les Roches Rouges.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.