Mitohy ny fanondranan’i Madagasikara ny andramena, na «bois de rose». Fantatra izao fa misy kaontenera voasesika «bois de rose» miisa 279 efa vonona, hiainga tsy ho ela ao amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar.
Amin’ny 10 martsa ho avy izao no hiantsona ao an-tseranana ny sambon’ny orinasa Delmas. Fahazoan-dalana miisa 18 no voakasik’ireo kaontenera ireo.
Raha nitsidika ny seranan-tsambon’i Vohemar ny Praiminisitra Camille Vital ny Alakamisy 11 sy zoma 12 febroary, ary namory ireo mpandraharaha eo amin’ny lalam-pihariana “bois de rose” dia nilaza fa afaka manondrana ny entany avy hatrany ireo mpandraharaha nahafeno ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana n°38244 tamin’ny 21 septambra 2009 momba ny fanondranana “bois de rose” (ny lanjany, ny haba sy ny hetra, ny sazy …). Raha miisa 249 ireo kaontenera voalaza fa misy “bois de rose” ka nahafeno ireo fepetra ireo, ary mbola tafahitsoka ao an-tseranan-tsambon’i Vohémar tamin’ny nandalovan’ny Praiminisitra Camille Vital dia tafakatra 279 izany ankehitriny, mpandraharaha miisa 18 no tompony, ka mpanolotsaina amina andrimpanjakana ny sasany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.