FANONDRANANA BAOBAB NAINS

12 gony indray no sarona tany Antsohihy


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Mirongatra ny fanondranana Baobab nains na ny sezan-jazavavy eto amintsika.

Taorian’ny nahatraran’ny mpitandro ny filaminana ireo tany amin’ny lalam-pirenena fahafito nentin’ny taxi-brousse saika haondrana dia 12 gony indray no sarona tany Antsohihy Faritra Sofia. Ny faran’ny herinandro teo no nahatrarana izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nalaina avy tao amin’ny faritra arovana Andriamangirana izy ireo tombanana saika haondrana any ivelany ihany koa. Teo amin’ny sakana miazo ny distrikan’i Mampikony no nahatrarana azy ireo izay voatery naverina haingana any amin’ny toerana misy azy mba tsy ho faty. Ny tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana any an-toerana no nandray an-tanana ny fikarakarana azy. Efa natao fanadihadiana kosa ilay olona nitondra izany. Miantso ireo mpiara-miombon’antoka rehetra mba hifanome tanana aminy ny Lehiben’ny Faritra Sofia. Notsiahiviny mantsy fa mahatratra 14.000 ha ny halehiben’ny faritra arovana ao Andriamangirana ka tsy maintsy hisy hatrany ireo mpanararaotra raha vantany vao tsy misy mpanara-maso.
Pati
Legende : Zava-maniry tena arovana ary tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny Baobab nains !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT