Actualités

Fanondranana andramena an-tsokosoko Mahay miala bala ny mpitondra mahefa


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Mizarazara ihany aloha ny hevitry ny olona momba ny tokony hitsarana ny mpitondra fanjakana tao anatin’izay 5 volana mahery nipetrahany teo izay.....

Hita kosa fa lesok’ity fitondrana vaovao ity ny fahaizana mampiresaka sy miala bala mba hanakonana ny fitavozavozana amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’ny olana namaivay teto amin’ny firenena ny fanjakazakan’ny fanondranana andramena an-tsokosoko nanomboka tamin’ny taona 2009 ary mbola mitohy ankehitriny. Ny «Alliance Voahary Gasy» izay mankalaza amin’izao fotoana izao ny faha-5 taona nijoroany dia resy lahatra fa azo foanana tsara ao anatin’ny enim-bolana, izany hoe mialoha ny fiafaran’ny taona 2014 ity fomba ratsy manimba ny ala sy ny tontolo iainana ankapobeny eto Madagasikara ity. Voaporofo ny tsy fananan’ireo tompon’andraiki-panjakana vina iraisana amin’ny fomba fanatanterahan’izy ireo ny asany, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG Ndranto Razakamanarina. Manampy trotraka izany ny tsy fahasahiana mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny ny lalàna velona mifehy ny firenena Malagasy. Soso-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Andriamanga Ralamboson Andry kosa ny fampiharana sazy ho an’ireo sokajin’olona meloka sy nandika lalàna mba atao anatra ho an’ny hafa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT