Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny
toromariky ny Filohampirenena sy ireo tompon'andraikitra hafa?” hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Misy antony maro, hoy izy, ka anisany ny fahasahiranana sy ny fitadiavana isan'andro. Ao koa ireo olona tena "indisciplinés " sy mafy loha. Nomarihany fa tsy tafita any amin'ny karazan'olona ilay toromarika satria tsy resy lahatra izy amin'ilay mampita ny hafatra. Tsy to-teny ireny olona ireny na ny Filohampirenena aza, hoy hatrany ity depiote TIM ity. Mila hitadiavana vahaolana haingana dia haingana izany. Ohatry ny tsena erak' Antananarivo ka raha hifamindra aretina eto daholo dia ho zava-doza no hanjo antsika, hoy izy. Nilaza hatrany izy fa misy ireo olobe sy Ray amandreny afaka manao antso sy mampita toromarika to-teny amin'izay manandrify azy. Tsy mahadiso na manambany ny mifampiresaka amin'ireny olona ireny. Vao maika aza mampiseho fahambonian-tsaina sy fahavononana kokoa satria ady iraisana izy ity. Miantso ny tsirairay amin`ny fahatongavan-tsaina i Hanitra Razafimantsoa satria hanomboka ny tena ady mafy.
Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.