Niresaka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa hanome sehatra ny tanora hahafahana mampandroso bebe kokoa ny firenena.
Ny fampiasana ny tanora sy ny fijerena manokana azy ireny mantsy izay hananany finiavana be dia be tokoa raha araka ny fanazavan-dRazafimandimby Rija, mpanao politika no hany fanalahidy hahafahana mandresy ny fahantrana, indrindra fa ho an’ireo manana traikefa. Indrisy anefa fa ny zavatra hita, hoy izy dia tsy manam-piniavana amin’izany ireo manodidina ny filoha fa toa minia mikipy manidy varavarana ka tsy mijery ireo tanora tena vonona sy vanona hiasa ho an'ny tanindrazana. Ho an’ny filoham-pirenena manokana dia nomarihiny fa vonona hampandroso ny firenena miaraka amin'ireo tanora tokoa izy. Mametra-panontaniana ny amin’ny anton’ny sakana goavana tsy hahafahan’ny tanora mandray andraikitra ity renim-pianakaviana iray mpanao politika ity. Ho azy manokana, toerana entina hamenoana paosy no tena maharevo ireo manodidina ny filoha ka raha vao misy olona (tanora) misandratra vonona hiasa ho an'ny firenena dia katsanana haingana mba tsy ho hitan'ny filoham-pirenena. Fotoana tokony hijoroan'ny tanora izao hanehoana amin’ny rehetra fa vonona hampandroso ny firenena izy ireo. Nomarihin-dRija Razafimandimby fa ny tanora amin’izao no ankehitrinin'i Madagasikara koa raha hijery fotsiny izy dia ho very tanteraka ny taranaka faramandimby.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.