FANOMEZANA KOPIAN-PAHATERAHANA

Miandry fitsarana mitety vohitra ny ankamaroan'ny Ray aman-dReny


  • Talata 26 Aogositra 2025

Miandry fitsarana mitety vohitra ny ankamaroan'ireo Ray aman-dReny manan-janaka

mbola tsy manana kopia mari-pahaterahana amin'izao, raha araka ny fanadihadiana natao. Ho an'ny kaominina Alasora, distrikan'Avaradrano manokana dia mitombo isan-taona izy ireny noho ny fahafantaran'ireo Ray aman-dReny fa manao hetsika hanomezana kopia ireo ankizy latsaky ny 18 taona hatrany ny kaominina isan-taona.Omaly Alatsinainy 25 Aogositra ohatra dia ankizy miisa 175 no nentina teo anatrehan'ireo mpitsara mpiara-miasa amin'ny kaominina izay hikarakara ny kopian'izy ireo. Anisan'izany ireo zanaky Ramatoa Félice miisa 3 mianadahy. 12 taona no voalohany, 8 taona ny faharoa raha 3 taona ilay farany. Nambaran'ity Renim-pianakaviana ity fa noho ny hasarotan'ny fiainana amin'ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan'andro no antony tsy nananany fotoana nikarakarana ny kopian'ireo sombin'ny ainy ireo. Tany an-trano avokoa mantsy no teraka izy ireo. Ankehitriny anefa dia mahatsapa izy fa manan-jo hianatra ...ireo zanany ireo antony namonjeny ity fitsarana mitety vohitra ity. Na izany aza anefa dia mbola misy ihany ireo Ray aman-dReny tsy tonga saina. Ho an'ny Fokontany Ambatomalaza ohatra dia nambaran'ny lehiben'ny Fokontany Razanabenja fa mbola zaza miisa 2 amin'ireo 11 isa fantatra fa tsy manana izany no tavela. Ireo Ray aman-dReny mihitsy no tsy taitra raha ny nambarany.
Pati
Légende : Rtoa Félice, Renin'ireo Zaza 3 mianadahy hakana kopia ao Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT