Fanomezan-danja ny tenin-dreny

Hampidirana teny Malagasy ny «WordPress »


  • Zoma 21 Febroary 2025

Marihina isaky ny 21 febroary tahaka izao ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny.

Misy fanamby lehibe raisin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo vitsivitsy: handika ny fitaovana fitantanana tranonkala WordPress ho amin’ny teny malagasy, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’izy ireo omaly. Kendrena amin’izany ny hanatsarana ny fahafahan’ny Malagasy miditra sy manararaotra ny tontolo nomerika. Marihina fa ny WordPress dia fitaovana an-tranonkala ahitana loharanon-kevitra misokatra na « Open Source » izay ampiasain’ny 43%-n’ny tranonkala maneran-tany. Na dia izany aza, tsy mbola misy dikan-teny malagasy ka manasarotra ny fidirana sy ny fandraisan’anjaran’ireo Malagasy 83% izay tsy mahay teny vahiny. Noho izany, io tetikasa fandikan-teny io dia mikendry hanafoana io sakana io, hampiroborobo ny famokarana sy fizarana fahalalana amin’ny teny Malagasy. Raha efa nisy fandrosoana teo amin’ny fotodrafitrasa sy firoborobon’ny internet eto Madagasikara, dia mbola mijanona ho sakana lehibe ny fiteny. Maro amin’ireo tranonkala ofisialy sy loharano fototra no miorina amin’ny WordPress kanefa mbola amin’ny teny vahiny avokoa. Raha vantany vao voadika amin’ny teny malagasy ity fitaovana ity, dia hanokatra varavarana ho an’ny maro kokoa haneho hevitra sy hamorona votoaty amin’ny teny Malagasy, raha ny fanazavana. Hanentana ny olona handray anjara amin’ny fandikan-teny ny tetikasa. Dimy minitra isan’andro dia efa afaka mandray anjara amin’ny fananganana tontolo nomerika manakaiky kokoa ny maro, hoy ny fanentanana. “Tsy mila fahaiza-manao teknika be akory, fa ny dikan-teny tsotra vitanao dia efa fandraisana anjara lehibe,” hoy i Ulrich Andrianina, iray amin’ireo mpandrindra. Manasa ihany koa ireo orinasa sy vondrona mampiasa WordPress hanome fotoana sy hanentana ny ekipany ho amin’ity asa fanorenana heverin’izy ireo fa manan-danja ity noho izany ireo mpandrindra. Azon’ny rehetra tsidihina ny https://fr.wordpress.org/about/ raha hamantatra bebe kokoa, ary https://mg.wordpress.org/handray-anjara/ raha handray anjara amin’ny fandikan-teny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT