Fanomanana ny fetim-pirenena

Efa mikenonkenona ny foloalindahy…


  • Talata 07 Mey 2024

Tafatsangana ary nivory voalohany omaly 6 may ny komity hanatanteraka ny famolavolana

ny hetsika rehetra hotanterahana mandritra ny fankalazana ny faha 64 taonan'ny niverenan'ny fahaleovantena sy fijoroan'ny Foloalindahy, ka ho eo Ambany fitarihan'ny Jeneraly Rakotondramamy Jimmy Clark ao amin'ny minisiteran'ny Foloalindahy ny fanatanterahana ny fanomanana rehetra, raha ny tatitra. Hetsika izay iarahan’ny fiadidina ny repoblika sy ireo minisitera samihafa samihafa manomana. Ankoatra ny lanonana ara-miaramila, nomarihin’ny Minisitry ny foloalindahy Jeneraly Sahivelo Monja Delphin fa homena endrika vaovao ny lanonana samihafa hotanterahana eny amin'ny renivohim-paritany manerana. Heverina ny hanentanana ny vahoaka Malagasy, ny olom-pirenena rehetra hamerenan'izy ireo ny hambom-po amin'ny fitiavan-tanindrazana, hoy hatrany ny serasera. Na eo aza izany mbola tsy voavolavola ny lohahevitra entina hankalazana ny fety, ka ny komitim-pirenena no handinika izany. Zava-dehibe ny fanomanana sy ny fihetsiketsehana asehon’ny mpanomana, saingy raha fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena izany aloha dia tena mbola mila ezaka goavana isika, fa mitady ho endriny ivelany fotsiny. Ny toekarena fehezin’ny vahiny, ny harem-pirenena tsy voaaro fa tapitra miondrana, ny mpitondra tsy mahavita tena mitandro ny firaisam-pirenena,… Ilaina ny fanamarihana isan-taona, ilaina ny lanonana mba hanarinariana dia ny vahoaka difotry ny fahantrana,… fa ny tena ilaina dia ny fitiavan-tanindrazana sy fikatsahana ny soa iombonan’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT