Fanomanana Andro iraisampirenena ho an’ny tenin-dreny

Hampiofana momba ny feni-panoratana ny Pr Jeannot Fils


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Ho fanomanana ny fankalazana ny "Andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny",

ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy eto anivon'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina dia manomana atrikasa momba ny "Feni-panoratana ny teny malagasy" ny alakamisy 15 febroary 2024 ao amin'ny efitrano DOX, tranombokim-pirenena Anosy, hoy ny fampitam-baovao ny sabotsy teo. Ny Profesora Ranaivoson Jeannot Fils no hitarika ny fampiofanana izay hanasana ireo filoham-pikambanana sy mpisehatra amin'ny teny malagasy toy mpampianatra kabary sy mpanoratra, hoy ny filazana. Fisoratana anarana kosa ny 8 hatramin’ny 13 febroary eny amin'ny Tranombokim-pirenena ary ao amin’ny efitrano A104. «Tenin-dreny, teny mampandroso!» moa no lohahevitr’izay fankalazana androm-pirenena izay amin’ity taona ity, raha ny voalaza hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT