Fanolanana

Zazavavikely 8 taona nilaza ho naolana zazalahy 10 taona


  • Zoma 12 Aprily 2024

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. 8 taona izy ary kilasy T1. Zazalahy kely iray, mpiray tanàna amin'izy ireo, 10 taona, no nambarany ho tompon'antoka. Sendra nilalao teny amoron-drano izy ireo no niseho io fanararaotana io ny volana janoary. Taorian'io fotoana io dia tsikaritry ny reniny izy fa mamanimany lava. Nentina tany amin'ny CSB II. Tsy ampy ny fitsaboana tany ka nihombo ilay aretina. Nony farany, nojeren'ilay reniny ny maha vehivavy azy. Teo vao ankona fa simba ilay izy. Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nitantara ny nahazo azy. Nentina ao amin'ny CHRR izy hanaraka fitsaboana. Tsy misy kosa ny fisamborana na fanaovana andrimaso noho ilay ahiahiana mbola zaza. Ny lalàna dia milaza fa tsy azo heverina ho tomponandraikitra amina heloka nataony ny zaza latsaky ny 13 taona. Noho izany, tsy afaka enjehina, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana, saingy heverina fa mariky ny fahapotehin’ny fiarahamonina kosa nefa ny fisian’ny tranga toy itony, raha mitombina hatrany. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe aiza ho aiza no anjara toeran’ny fanabeazana sy ireo mpanabe no heno hatrany ny tranga toy itony?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT