Fanolanana zaza tsy ampy taona

Neken’ny antenimierampirenena ny fanenjanana ny sazy


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Nolanian’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna vaovao mahakasika ny,

famaizana ampiharina amin’ireo mpanolana zaza tsy ampy taona. Niombon-kevitra tamin’ny fampandaniana ity lalàna ihany koa ny mpikambana teo anivon’ny governemanta, sy solontena vitsivitsy. Nandritran’ny famelabelarana nataon’izy ireo tetsy amin’ny antenimierandoholona Anosy androany ihany koa nampiharana ny volavolan-dalàna laharana faha 002/2024 tamin’ny 24 janoary 2024. Izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana. Izany dia mifototra amin’ny famosirana ireo voaheloky ny Fitsarana. Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny fomba famosirana. « Castration chimique » izay voafetra ny fotoana ao anatin’ny 6 volana ny maha vositra ny voaheloka hitsinjovana ny tsy fahafahany manolana. Ny « castration chirurgicale » dia sazy mandrapahafaty. Ho henjana koa ny sazy hihatra amin’ny mpamerin-keloka izay iharan’ny sazy an-terivozona mandrapahafaty no miampy « castration chirurgicale » raha mbola tsy natao taminy izany teo aloha. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanitsiana sy fanampiana ireo andininy ao anatin’ny lalana famaizana mikasika ny fanolanana. Ireo mpanolana zaza latsaky ny 10 taona dia sazy an-terivozona mandrapahafaty. Raha eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 13 taona dia sazy an-terivozona mandritra ny 15-20 taona antranomaizina. Ho an’ny trangana fanolanana zaza 13-18 taona dia manefa sazy an-terivozona 10 hatramin’ny 15 taona ireo voaheloka. Noho ny firongatry ny tragana fanolanana no antony nandaniana ity lalàana vaovao ity. Tsiahivina fa nahatratra 600 no tratran’ny fanolanana ny taona 2023 manerana ny Nosy ary efa 133 sahady izany isa izany hatramin’ny volana janoary 2024 raha ny antontanisa avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana.
Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT