Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona tato ho ato. Tovovavy kely nipetraka tamin’ny dadabe tany amin’ny Ankazomanga, Fokontany Ambatondradama, kaominina Anjoma-Ramartine, distrikan'i Mandoto, faritra
Vakinankaratra no lasibatr’izany ka efa mitoe-jaza 5 volana rehefa nojeren’ny dokotera ary fantatra fa vao nisy firaisana ara-nofo tsikaritra tao anatin’ny fotoana fohy tamin’ny toe-batany. Nohamafisin’ireo mponina teo amin’ny manodidina araka izany fa ity dadabe izay niangavy ny hitaiza ity zafikeliny ity nanomboka teo amin’ny fahadimy taonany no nanolana ka nahabevohoka azy. Raha ny filazan’ilay zaza anefa dia tovolahy iray hafa antsoina hoe : Naina no nanolana ka nahabevohoka. Natolotra ny fitsarana tamin’ny zoma teo izy roalahy mianaka voarohirohy ka samy naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.