Actualités

Fanolanana zaza teny Ivato Mpiambina telolahy nidoboka am-ponja


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Zazavavikely roa samy dimy taona, zanaka olona mirahavavy no samy niharan’ny fanolanana ny alin’ny alarobia, 07 oktobra teo teny Ivato.

 

 

 

Mpivarotra ny asan’ny Ray aman-drenin’ireto zaza iretoTamin’io andro io anefa dia tratra alina tany am-pivarotana iretsy voalohany. Lasa nitady azy ireo tany an-tsena araka izany izy mirahavavy kely tokony ho tamin’ny 08 ora alina kinanjo nifandiso. Nandritra ny fotoana nandehanan’izy mirahavavy tany an-tsena mantsy dia efa tafody tany an-tranony ireo Ray aman-dreniny ka tsy nifankahita. Rehefa tsy nahita azy roavavy tany an-trano ireo Ray aman-dreniny dia nikoropaka nitady niaraka tamin’ireo mponina teo an-tanàna. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia nahazo antso ny Ray aman-drenin’ireto zaza fa tonga any an-trano izy mirahavavy. Tamin’izany vao hita fa samy niharan’ny fanolanana izy roavavy fa ny iray no tena voa mafy. Nanatona ny Centre Vonjy eny amin’ny Maternité Befelatanana avy hatrany ireto Ray aman-dreny nitondra ireo zaza natao fizahana ary nametraka fitoriana olona tsy fantatra tamin’ny fanolanana nihatra tamin’ny zanak’ izy ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy miasa ao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka mamoafady sy ny fiarovana ny tsy ampy taona ka nanokatra fanadihadiana sy nanao ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Nidina teny ifotony teny Ivato nanao ny fanangonam-baovao izy ireo ka telolahy manao asa « Agent de Sécurité » eny an-toerana no nipetrahan’ny ahiahy. Taorian’ny fanadihadiana natao tamin’izy telolahy dia natolotra ny fitsarana ny zoma teo izy ireo. Voatana eny am-ponja vonjimaika ny iray tamin’izy ireo raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 2.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT