Fanolanana zaza 6 taona

Lehilahy 35 taona nidoboka am-ponja


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Niatrika fampanoavana tao Miarinarivo, omaly, ny lehilahy iray 35 taona,

raha ny fampitam-baovao voaray. Enjehina ho nanolana zazavavy kely 6 taona tao amin'ny fokontany Ampefindradama, kaominin'Ampefy, distrikan'i Soavinandriana, faritr'Itasy, izy. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy ary any Tsiafahy avy hatrany. Izy moa nandà fa tsy nanolana. Ny fizahan'ny dokotera kosa dia manamarina fa tsy virijiny intsony ilay zaza ary misy tsiranoka mivoaka. Taitra ny renin'io zaza io raha nanasa sy nahita tsiranoka mavomavo tamin'ny silipon-janany ny 15 janoary. Nitaraina ho narary ilay zaza ary notsaboina tamin'ny fanafody netim-paharazana teny. Ny 20 janoary anefa mbola nisy tsiranoka nivoaka ihany tamin'ny mahavehivavy azy sady namofona maimbo. Teo vao fantatra rehefa nitantara ilay zaza fa nanaovan'ilay lehilahy ny filan-dratsiny ary notambazany 500 ariary mba tsy hiteniteny na amin'iza na amin'iza. Nosamborin'ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria Soavinandriana ilay ahiana ho tompon'antoka ny talata teo. Olona tsy an'asa izy io ary mpiara-monina amin'ilay zaza ihany. Izy nilaza fa tsy nanolana fa nanasa ilay zaza tany an-doharano no nataony ary vola 500 ariary hividianana "chips" no nomeny azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT