Fanolanana zaza 12 taona

Nidoboka am-ponja ilay miaramila


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Nisy fivoarany ny raharaha fanolanana an’i Mitia ilay zazavavikely vao 12 taona tao Imeritsiatosika.

Raha ny vaovao farany, nidoboka am-ponja ilay miaramila voarohirohy, rehefa nandeha ny fanairana samihafa nataona depiote iray voafidy tao amin’ny distrikan’Arivonimamo. Tsara ny manamarika fa mitondra vohoka efa-bolana ity zazavavikely ity ankehitriny noho ny fanolanana azy.Nosamborina tamin’ity herinandro ity io miaramila io, ary niakatra fampanoavana ny alarobia lasa teo ny raharaha. Nanapa-kevitra ny fampanoavana fa ampidirina am-ponja vonjimaika aloha ilay miaramila ahiana nahavita heloka. Hiverina eo anatrehan'ny fampanoavana kosa izy mandritra ny raharaham-pitsarana ny alakamisy 22 Aogositra 2024, raha ny vaovao ofisialy.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT