Nabodoka am-ponja vonjimaika ilay lehilahy mpiandry vavahady etsy amin’ny Fitsarana nilaza ho mpiasan’ny Fitsarana nanolana vehivavy iray voalaza ho very saina teny Andohatapenaka ny faran’ny herinandro teo.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia anisan’ny nanararaotra ity tovovavy voalaza fa very saina ity io tovolahy io. Nolazainy tamin’ireo nanatri-maso nahita ny fahavoazan’ity zazavavy ity mantsy fa entiny amin’ny moto ho eny amin’ny paositry ny polisy eny amin’ny 67 ha ity vehivavy ity hahafahana mitady ny havany kinanjo nentiny tany amin’ny toeran-kafa ary naolany avy eo. Tany Sabotsy Namehana no tratra ity lehilahy ity niaraka tamin’ilay tovovavy ny sabotsy teo ka noraisim-potsiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.