Actualités

FANOLANANA TAO AMPARAFARAVOLA Ny zaodahin-dReniny ihany no nanimba ilay zaza


  • Zoma 26 Aprily 2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

SODECA ny 24 Aprily lasa teo tokony ho amin'ny 05 ora maraina ihany ilay lehilahy iray nanolana zazavavy kely 15 taona tany an-toerana. Raha araka ny fantatra dia zaodahin'ny renin'ilay zazavavy ihany ity nanolana azy ity. Mifanakaiky trano izy ireo ka hadaladalain'ity lehilahy ity hatrany ratovovavy. Matory miaraka amin'ny zandriny vavy ao an-dakozia ity tovovavy ity ka alain'ilay lehilahy ao amin'ny alina. Fantatra fa noentin'ity lehilahy ity tao an-tranony ilay zaza nandritra izany ary anamparany ny filàny izay tsy indray mandeha ihany fa efa nanomboka tamin’ny volana Janoary teo. Rahonany ho faty sy hovonoina ilay voaolana rehefa mitady hanohitra azy. Nihorakoraka nitomany ny zandrin'ilay niharam-boina indray alina rehefa tsy nahita ilay zokiny teo am-pandriana ka rehefa tonga ny tamin'ny 01ora maraina dia naterin'ilay lehilahy tao an-tranony ilay voaolana. Tonga nitoroka izany tranga izany ny fianakaviany, ary rehefa natao tokoa ny fizahan'ny dokotera dia efa niharan'ny fanararaotana ara-nofo matetika izy. Natolotra ny fampanoavana omaly Alakamisy 25 Aprily moa ity mpanolana ity ka efa naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina fa nahatratra 302 ireo ankizy tratran’ny fanolanana ka nandalo teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha tato anatin’ny telo volana izao.
Pati
Legende : Noheverina mba ho Ray ilay ranamana ity kinanjo nivadika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT