Fanolanana sy fikasana hamono zaza 6 taona

Simba tanteraka i Harena, lehilahy 23 taona ifampitadiavana


  • Talata 05 Martsa 2024

Zazavavikely vao 6 taona monja no naolan’ny lehilahy iray antsoina hoe William

na Da-willy 23 taona, tao Imerimandroso Imeritsiatosika ny takarivan’ny alahady 03 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 6ora. Raha nilalao teo an-tokontany i Harena sy ny zandriny ka tsy nody tamin’ny ora tokony hodian’izy ireo ao an-tokatrano no nivoaka nitady azy ireo ny ray aman-dreniny. Nentin’i Da-Willy tao an-tranony, ary nanaovany ny filan-dratsiny. Tovolahy. Ilay zandriny kosa tafaporitsaka nitsoaka ka nandeha nilaza ny zava-nitranga tamin’ny Reniny sy ny mponina manodidina. Rehefa naheno ny savorovoro ilay lehilahy antsoina hoe Dawily dia lasa nirifatra nitsoaka, nisaoty varavarankely, ary rehefa nojerena dia ilay zaza efa nihosin-drà no hita tao. Mbola afaka niteny kely hoe : nirahin’i Dawilly, nesoriny ny kilaotiny,… Araka ny nambaran’i Harena dia nirahan’i Dawily hividy sigara izy ka teo no nanararaotany ny filan-dratsiny. Notsentsena fotaka ny sofiny, ary nomena ny totondry, mbola nokasain’ilay lehilahy hovonoina aza satria dia naratra ny tarehiny ary notsetsemana fotaka koa ny sofiny, raha ny fanazavan’ny reniny. Hatramin’ny omaly kosa, mbola tsy hita popoka ity Da-Willy ity izay voalaza fa reseverana taksibe zotra G, ary ifampitadiavana. Nisy ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny mponina sy ny Minisitry ny kolontsaina an’ity zazavakely ity teny amin’ny Hopitaly HJRA omaly, ka hentitra ary manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpiray monina hikaroka ilay nahavanon-doza ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Augustin Andriamananoro, hitondra azy eo anivon'ny mpitandro filaminana. Tsy azo ekena intsony ny mbola hitohizan'ny herisetra sy fanolanana ara-nofo ny zaza tsy manan-tsiny, hoy hatrany io Minisitra io. Efa kamboty Ray i Harena kely izao niharan’ny herisetra ara-nofo izao, raha ny fanamarihana. Simba tanteraka, saingy efa manaraka fitsaboana izy amin’izao fotoana izao, ny tolakandro teo ihany dia efa nampidirina ao amin’ny efitrano fandidiana i Harena ary ho raisin’ny minisiteran’ny fahasahalamam-bahoaka an-tanana ny fitsaboana rehetra, hoy ny tatitra. Nampifoha indray ny fanehoan-kevitry ny mpitondra tamin’ny alalan’ny Minisitry ny mponina Rtoa Haingo nAMbinina indray moa ity tranga ity manoloana ny adihevitra mikasika ilay fikitihana ny fehezan-dalàna famaizana hoe : iza no tokony ho jerena : ny zon’olombelona sa ny zon’ny zaza voaolana ?

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT