Actualités

Fanolanana sy fibodoabana fananana teny Ivato Hiakatra fitsarana anio ny raharaha


  • Alarobia 13 Mey 2020

Hiakatra fitsarana anio eny amin’ny tribonaly etsy Anosy amin’ity anio ity ilay raharaha fibodoana fananan’olona nitohy tamin’ny fanolanan-jaza nitranga teny Mandrosoa Ivato ka nampitaraina ny renim-pianakaviana isan’ny lasibatra tao anatin’izany ny 8 martsa teo

 . Araka ny fitantaran’ity renim-pianakaviana ity dia eo ny resaka hosoka famindram-pananana na “mutation frauduleuse” ny tananan’izy ireo antsoina hoe “Tanisoa mahavelona”. Nanaovana vehivavy iray taratasy hosoka misy sonia hosok’ity vehivavy milaza ho lasibatra ity izy io, raha ny fanazavana. Ny 27 janoary 2020 no efa nitaraina teny amin’ny zandarimaria eny amin’ny toby Ratsimandrava izahay, hoy ity renim-pianakaviana ity. 3 andro taorian’izay dia nandeha ny fanalana azy ireo tamin’ny tranony. Zandary avy amin’ny kaompanian’Ambohidratrimo miisa 14 lahy fa tsy ny zandary avy eo Mandrosoa anefa no nanala azy ireo tao. Tsy nahazo fampandrenesana na ity fianakaviana ity na ny fokontany. Nataon’ilay nibodo amboletra koa ny fiara 4x4 land cruizern’ireto fianakaviana ireto tamin’io fotoana io. Fanagiazana mandra-paha voaloha ny “dommage interet” ialana amin’ilay trano io, izany ilay lasibatra indray no nolazaina fa nibodo, raha ny fanazavana hatrany. Tsy misy ara-dalana ny taratasy fa fakana am-bavany na PV efa vita avy any, hoy ity mitaraina ity, no noterena ho nosoniaviny. Mitentina 15 tapitrisa ariary io “dommage” noterena aloha io ary mbola noterena nalohan’izy ireo koa ny saran’ny fampiasana vadintany tamin’io andro io izay mitentina 10.800.000 ariary miampy ilay fanagiazana fiara hoe ho atao lavanty ny 20 febroary teo. Tsy tanteraka moa izany hatramin’izao vokatry ny fanohanana nataonay, hoy izy. Nomarihiny moa fa ny alin’ny 24 desambra 2019 no nisy fanafihana nihatra tamin’ity fianakaviana ity. Tokony tamin’ny 3 ora maraina dia nisy 3 lahy niditra tao amin’ny tranon’izy ireo ary tsy nisy na inona na inona simba fa tsy fantatra izay nahatafiditra azy ireo tao. Nofatoran’izy ireo sy notapenany ny vavan’ny ramoseko. Naolan’izy ireo ihany koa ny zanako, hoy izy. Ny nahagaga, hoy ity ramatoa ity, dia nahita marika na “piste” sy porofo maro izahay na mikasika ny fibodoana na mikasika ilay fanolanana saingy nifototra tamin’izy ireo indray izany. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT