Nampiaka-peo ireo vondrona fiarahamonim-pirenena (OSC) omaly teny Tsiadana. Nambaran’izy ireo fa misy ny mizana tsindrin’ila atoan’ny fanjakana manoloana ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara
Nosinganin’izy ireo tamin’izany ilay lalàna momba ny ady amin’ny “cybercriminalité” indrindra fa ilay andininy faha-20 izay milaza fa ny “ompa sy fanalam-baraka atao amin’olona ambony sy manam-pahefana… amin’ny endriny rehetra dia mampigadra 2 ka hatramin’ny 5 taona miampy lamandy 2 tapitrisa Ariary ka hatramin’ny 100 tapitrisa Ariary. Misy anefa ny heloka be vava ary ratsy lavitra noho ireo saingy maivana ny sazy omena ny olo-meloka. Lamandy 2 tapitrisa Ariary hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary izao ny sazin’ny mpanolana sy ny mpanodikodina zaza tsy ampy taona, ankoatra ny fitanana am-ponja. Izany ve tsy ny fanjakana ihany no manao izay hampirongatra ny fanolanana sy fanodinkodinana zaza tsy ampy taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.