Actualités

Fanolanana nahafaty an’i Tifania kely Ny anadahin-dreniny ihany no ahiahiana


  • Talata 03 Novambra 2020

Namoy ny ainy ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy ilay zazavavy kely vao 7 taona monja antsoina hoe :

 

Tifania, niharan’ny fanolanana niverimberina, tetsy Anosibe. Raha araka ny fantatra dia ny anadahin-dReniny ihany izay vao 16 taona monja no ahiahiana ho nanao ity zava-doza ity izay efa nosamborin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tamin’ny sabotsy teo ihany. Raha araka ny tatitry ny polisy moa taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ity tovolahy ity dia olona roa akaiky azy tao anatin’ny fianakaviana ihany koa no efa saika naolany. Tsiahivina moa fa tamin’ny 19 oktobra lasa teo no efa nitaraina ho narary an-doha sy kibo Itompokovavy kely. Nentin’ny fianakaviany tany amin’ireo mpitsabo manao fanafody gasy ireny izy araka izany saingy tsy nahitam-bokany. Nihafara tamin’ny tsy fahatsiarovan’i Tifania tena izany, ka izay vao nitondra azy tany amin’ny dokotera ny fianakaviany. Nandritra izany no nahalalana fa tratry ny fanolanana efa naharitra ity zaza tsy manan-tsiny ity ary efa simba tanteraka. Nalefa teny amin’ny hôpitaly Befelatanana ilay zaza mba ho tsaboina noho izany ka nandritra izany ihany koa no nahafantarana fa misy rano ny lohany vokatry ny dona matetika nahazo azy. Efa saika hodidiana moa i Tifania no izao namoy ny ainy izao. Ny Reniny no saika hiangavy ireo mpitsabo tao hôpitaly HJRA mba hanaovana izany saingy efa tsy tana intsony ny ainy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT