Ny fivavahana sy ny fanoloran-tenan’ny olona ho an’Andriamanitra ihany no manova ny olona fa ny fanasaziana famaizana azy fotsiny. Io no nambaran’ny pastera Randriarimalala Heritiana, filohan’ny trano fivavahana Vahao ny oloko raha naneho ny heviny mikasika ny firongatry ny fanolanana ankehitriny izy.
Nambarany tamin’izany fa singakely iray ao anaty fahotana ny fanolanana izay tsy ity farany ihany fa eo ihany koa ny halatra, ny fimamoana, ny sodomita, ny fijangajangana, ny fangalaram-badin’olona….Fantatra izany nandritra ilay vavaka lehibe nentina nanapahana ny ozona mahazo ireo olona manan-katao notanterahin’ny fiangonana teny Mandikanamana Alasora ny sabotsy teo.Misy karazan’olona mantsy hoy izy tena mpanam-bola be ary mety ety ivelany saingy tena mijaly. Mikorontana ny tokantranony, mpidoroka ny zanany, matahotra sy mitebiteby lava izy, marary…. Nomarihin’ny pastera Heritiana moa fa tsy olona mahantra ihany no heverina fa misy ozona fa maro ihany koa ireo mpanan-karena eto amintsika no miaina izany ka mila fanafahana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.