Fanolanan-jaza nandritra ny 2023

Nahatratra 515 isa ny nandalo Fampa noavana


  • Zoma 12 Janoary 2024

Nahatratra 515 isa be izao ireo trangana fanolanan-jaza niseho teto amintsika

ary tonga teo anivon’ny fampanoavana Anosy tamin’ny taona 2023 lasa teo. Tena nitombo izaitsizy io isa io raha oharina tamin’ny taona 2022. Na izany aza vao manomboka ihany koa ity taona 2024 izany hoe : hatramin’ny datin’ny omaly Alakamisy 11 Jona dia miisa 18 ireo tranga hita sy niseho ka miisa 2 ireo mpanolana mbola tsy ampy taona nandray anjara tamin’izany, raha araka ny loharanom-baovao azo. 17 taona ny iray izay nanolana zaza 9 taona raha 14 taona kosa ny iray nanolana zaza 5 taona. Efa samy nalefa any amin'ny mpitsara ny zaza tsy ampy taona avokoa ireo raharaha rehetra ireo ka marobe ireo efa mizaka ny saziny eny am-ponja. Ankoatra ny fanaovan’ny vehivavy na ankizivavy kely fitafiana manintona na manaitaitra moa dia anisan’ny mampirongatra ny fanolanana ny fijeren’ny lehilahy horonan-tsary mamoafady arahin’ny fandraisana zava-mahadomelina raha araka ny fanazavan’ny psikology iray. Ho an’ireo zazalahy kely mbola tsy ampy taona kosa dia misy amin’izy ireny no mahita ny hataon-dRay aman-dReniny ao an-tokantranony ao na ny namany hany ka tsy mahafehy tena intsony. Tokony hotandreman’ny rehetra araka izany ny fametrahana ny ankizivavy kely amin’ny olom-pantatra na koa ny fivoahana alina tsy misy mpanaraka, tranga izay tena hararaotin’ny mpanolana tokoa no sady hanalany ny ain’ilay olona mihitsy.
Pati Legende : Ankizivavy kely ny ankamaroan’ireo voaolana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT