Ankizy 13 taona no naolana lahiantitra 66 taona ny herinandro teo tany Adingadingana Ambatondrazaka. Nilalao teo anoloan’ny tranon’ilay Rangahy io ankizy vavy kely io dia notambazany
vola mba hiaraka aminy. Tsy nanampo na inona na inona ilay ankizy fa nanaraka an-dRangahy. Rehefa tonga tao anaty ala na garana dia norahonany tamin’ny antsy fa tsy maintsy manao firaisana ara-nofo aminy. Rehefa vita ny filandratsiny dia noteneniny mba tsy hilazalaza amin’ireo ray aman-dreniny ilay ankizy vavy. Rehefa tonga tao an-tranony anefa ilay ankizy vavy dia nitantara ny zavatra nanjo azy. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny ray aman-dreniny ka nosamborina ilay rangahy. Rehefa natao ny famotorana dia niaiky ny hadalana vitany izy. Omaly no niakatra fampanoavana ny raharaha. Fa ankoatra an’io, zaza roa taona no naolan’ny raibeny ny alatsinainy teo tao Ambohitanibe. Namoy ny ainy ilay zaza vokatry ny zavatra nanjo azy. Olona teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra ny fihetsik’ity lahiantitra kaodikaody nivoaka ny trano ipetrahan’ilay zaza. Samy tsy tao ny ray aman-dreniny tamin’io ka nanararaotra ilay raibe tsy vanona. Mahalasa saina ankehitriny ny firongatry ny fanolanana any amin’iny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro iny.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.