Fanolana zaza tsy ampy taona

Nivoaka ny didy, mihatra ny famosirana !


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Efa nivoaka ary mihatra ny fanavaozana ny fehezan-dalàna famaizana

any amin’ny andininy mamaritra ny sazy ho an’ireo mpanolana zaza tsy ampy taona. Ny 26 febroary 2024 lasa teo no namoaka ny didy fampiharana na « promulgation » ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary nohamafisin’ny governemanta tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Rakotoarisoa Miadatsanta Indriamanga. Io ny lalàna namoahana didy fampiharana voalohany tamin’ity taona ity. Maro ny pitsopitsopitsony ao anatiny, fa anisan’ny voafaritra ao anatin’io ireo sazy samihafa arakaraka ny heloka natao, ka eo ny ho an’ny zaza latsaky ny 10 taona eo ny 10 taona hatramin’ny 13 taona, 13 taona miakatra fa latsaky ny 18 taona, ny sazy arakaraka ny sokajin’olona toy ny hoe : olona nanana fahefana tamin’ilay zaza ve no nanao ny heloka sa olon-kafa ivelany,… Misy sokajy 6 eo ny sazy ka tafiditra ao anatin’io ilay famosirana na « castration ». Asa an-terivozona mandra-pahafaty ny isan’ny miandry ireo mpanolana zaza latsaky ny 10 taona ary mihatra avy hatrany ho an’ny olona voaheloka fa nanolana zaza latsaky ny 10 taona ny famosirana na « castration » mba hamonoana ny filàna te hiray sy hanolana ho an’ny mpanolana.; sazy an-terivozona 15 hatramin’ny 20 taona ho an’ny nanolana zaza 10 taona mahery fa latsaky ny 13 taona, ary azo hampiharana ny « castration chirurgicale » na « castration chimique » ; 10 hatramin’ny 15 taona sazy an-terivozona ho an’ny voaheloka ho fa nanolana zaza 13taona ary latsaky ny 18 taona, ary eo ihany koa ny «castration chimique ». Misy pitsopitsony maro ity lalàna ity, fa ny tena mivaingana aloha izany dia efa mihatra tanteraka izany ilay famosirana. Toy ny raharaham-pitsarana rehetra kosa dia aorian’ny didy raikitra sy tsy misy fampiakarana azo atao intsony no mihatra izay fanapahana raisin’ny fitsarana eo. Isan’ny niteraka adihevitra moa ny mikasika ity lalàna ity, indrindra teo anatrehan’ny fanambaran’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina, fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, ka tonga hatrany amin’ny fampanantsoana ity farany teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Raha tsiahivina dia ny 23 febroary teo no nankatoavin’ny HCC io lalàna io, ary 3 andro taorian’izay izany ny famoahana ny didy fampiharana. Ny Fanjakana izay nanamafy ao anatin’io fampiharana io fa tena henjana ny trangana fanolanana eto Madagasikara satria manodidina ny 600 no tonga teny amin’ny fitsarana ho an’ny 2023, ankoatra ireo mety nosarontsaronana. Ny faramparan’ny febroary lasa teo dia namoaka fa hatramin’ny fiandohan’ny 2024 dia nahatratra 144. Mazava ho azy, fa ny trangana fanolanana rehetra nanomboka sy taorian’ny 26 febroary izany dia azo ampiharana ity famosirana ity. Nanamafy an’ilay hoe : tany sy firenena manana ny fiandrianany izany i Madagasikara tamin’ny alalan’ny mpitondra, saingy fanontaniana mbola azo hapetraka hatrany ny hoe : hanao ahoana ny ho fihetsiky ny Tandrefana na ilay antsoina hoe : mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) teo anatrehan’ny fanakianana fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana Malagasy sy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona io ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT