Fanohitohinana ny fetin’ny asa

Voatery teny an-dalambe no navoaka ny mofomamy


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Voatery teny an-dalambe no navoaka ny mofomamy nanamarihan’ny Randrana sendikaly ny fetin’ny asa omaly

nanoloana ny fanohitohinana nahazo ireo sendikan’ny mpiasa nikasa hanamarika tamin-kafaliana izany atao andro iraisampirenena ho an’ny asa izany. Raha ny fandaharam-potoana tany am-boalohany dia nangatahana, hoy ny fanazavan’ireo sendika nandalo teny Antaninarenina, ny Parvis Analakely, mba hanatontosana an-kalalahana izany fanamarihana izany saingy tsy nomena. Nanoloana izay heverina fa fanohitohinana ny fetin’ny asa izay, noho izany, dia voatery tafasara-toerana ireo sendika samihafa naniry hiombona tao anatin’izany fanamarihana andro iraisampirenena izany. Ny Randrana sendikaly, ohatra, nanaraka an’iny mihazo an’Ankazomanga na «Boulevard de l’Europe» iny. Ny CTM na Kaonfederasionin’ny mpiasa malagasy moa tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina ary sendika maro hafa toy ny FISEMARE ihany no hita nanodidina teny amin’ny zaridaina teny. Na hatramina hetsika heverina fa fanamarihana sy fety aza ve izany ankehitriny dia tsy azo atao an-kalalahana eto amin’ity firenena ity? Fanontaniana goavana isany nipetraka izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT