Fanohintohinana ny vady aman-janaky ny Filoha

Hohenjehina ireo mampiasa izany hisolokiana vola


  • Alarobia 08 Mey 2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

amin'ny anaran-dRamatoa Mialy Rajoelina, Vadin'ny filoham-pirenena sy amin'ny anaran'ireo zanany mba hakàna vola tsy ara-drariny aman'olon-tsotra. Tsy hipetra-potsiny intsony ny zandarimariam-pirenena manoloana izany raha araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Nanamafy izy ireo fa voararan’ny lalana sy mahavoasazy ny manao kaonty sandoka amin'ny anaran'olon-kafa, hikatsahana tombotsoa ara-bola, hanaparitahana vaovao tsy marina, indrindra hamoahana sarin'olona tsy nahazoana alalana, araky ny andinin-dalàna maro voarakitra ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana (Code pénal) sy ny fehezan-dalàna mikasika ny serasera (Loi nr 2020-006 du 01 septembre 2020 portant code de la communication médiatisée) ary ny lalàna iadiana amin'ny heloka an'habaka (Loi nr 2014-006 du 19 juillet 2014 sur la lutte contre la cybercriminalité). Miantso ny fahendren'ny mpiray tanindrazana ny Zandarimariam-pirenena noho izany ny rehetra mba handala ny soatoavina Malagasy izay manaja ny zokiolona, ny Ray aman-dreny , ny tompon'andraikitra rehetra izay mitondra ity firenena ity. Ary mba manao ahoana rehefa ny olon-tsotra no lasibatra amin’ny endriny maro na fisandohana io na fanalam-baraka toy ny ara-politika ?
Pati
Legende : Tahaka izao ireo karazana kaonty sandoka hampiasain’ny sasany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT