Actualités

Fanohintohinana ny fahafahana maneho hevitra Asiam-panitsiana ilay lalŕna 2014-006


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Na ny minisitry ny fitsarana, na ny minisitry ny filazam-baovao dia samy nilaza omaly fa azo ahitsy ilay lalŕna laharana 2014-006 momba ny fandikan-dalŕna amin’ny alalan’ny tambanjotran-tserasera maoderna (cybercriminalité) raha ahiana fa manohintohina ny asa fanaovan-gazety sy ny fahafahana maneho hevitra eto amintsika

Noho ny tsy mbola nisian’ny lalàna mifehy ny serasera eto Madagasikara sy ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana no antony nandrafetana ilay volavolan-dalàna io tamin’ny 2013, hoy ny minisitry ny fitsarana. Rehefa novakiana sy nodinihina anefa ny andininy faharoa ao amin’ilay lalàna dia tsapa avy hatrany fa manohintohina tanteraka ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety ilay izy, ary natao fotsiny iarovana ireo manampahefana. Nahery vaika ny fanakianana io lalàna io tato anatin’ny roa andro ary dia ampy izany mba nampihemotra ny mpitondra, mbola mafana be rahateo ilay raharaha fanagadrana mpanao gazety nataon’ny minisi-panjakana. Tonga saina ihany izany ireo mitondra fa misy tsy mety ilay lalàna ka tsy maintsy asiam-panitsiana. Mbola manaporofo hatrany ny tsy fahamatoran’ny fomba fiasan’ny fitondrana hatrany ny tranga tahaka izao, satria tsy mba nodinihan’ny governemanta lalina akory ilay volavolan-dalàna fa tonga dia nasesika teny amin’ny antenimieram-pirenena. Nandany an-jambany tsy niady hevitra koa ny solombavambahoaka. Izao, milefitra indray ny fitondram-panjakana ka milaza fa : aleo asiam-panitsiana ilay lalàna raha toa ka misy tsy mety.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT